<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J. Ramala</author>
<hymn_number>406</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Manenina aho, Ray Masina ô !
 Fa simba ny tsirin'ny aina ;
 Izay nambolenao tanatin'ny fo
 Dia lanin'ny ota ka maina.

[V2]
 Indrisy ny fahadisoako, re,
 Fa maro, tsy tambo isaina,
 Kanefa, ry Tompoko, mba
 mamonje
 Ity ory, izay mitaraina !

[V3]
 Havaozy indray ny fanahiko
 izao
 Andrao lasa ho babon'ny
 helo ;
 Ka ny fivalozako mba
 raisonao,
 Vonjeo ny fo malahelo.</lyrics>
<title>Manenina aho, Ray masina o FFPM406</title>
</song>